Back

ⓘ Moraingy




                                               

Betsileo

Ny Betsileo dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin ny toerana faritan ony Mania ao avaratra, ny tanin ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr i Bongolava ao andrefana, izany hoe ao amin ny Faritanin i Fianarantsoa. Ireto ny tanànan ny Betsileo: Ambositra, Ambohimahazo, Ambohinamboarina, Fianarantsoa,Ambohimahasoa ary Ambalavao.

Moraingy
                                     

ⓘ Moraingy

Ny moraingy na morengy dia karazana haiady nentim-paharazana malagasy ampiasana ny hondry sy ny tongotra, tsy ampiasana fitaovam-piadiana hafa. Tamin ny nanjakan ny taranaka maroseragna tao amin ny Sakalava any amin ny morontsiraka andrefan i Madagasikara no nipoirany. Hatramin izay dia lasa haiady fanao eran i Madagasikara ny moraingy, indrindra any amin ny faritra amorontsiraka, sady koa niely nankany amin ireo nosy hafa aty amin ny Ranomasimbe Indiana toa an i La Réunion sy i Maiôty sy i Kômôro sy i Seisely ary i Maorisy. Eto Madagasikara dia any amin ny faritra avaratra sy atsinanana no tena milalao azy.

                                     

1.1. Moraingy eto Madagasikara Fiaviany

Araka ny fikarohana amin izao fotoana izao dia mety avy amin ny haiady atao hoe tomoi an ny Maley ny moraingy malagasy ka nandritra ny nidiran ny mponinana teto Madagasikara, indrindra tamin ny fifindrà-monin ny Aostrôneziana avy any Malezia sy Indônezia sns.

                                     

1.2. Moraingy eto Madagasikara Ankapobeny

Ady an-tsehatra moa izy ity ary natao hilokana. Hatramin izao aloha dia ny lehilahy ihany no tena manao azy ity na dia mahazo manao moraingy koa ny vehivavy amin izao fotoana izao. Haiady malalaka izy ity satria tsy dia misy lalàna mazava mifehy azy. Matetika no mitera-doza izy ity satria tsy tena mazava ny fitsipi-dalao. Ny sasany mifanandrina amin ny ngeza sy mafy loatra noho izy. Ny sasany efa mamo. Ny sasany mety manana aretina tsy fantany. Matetika izy ity dia tsy misy fiomanana akory. Tsy misy mpanazatra. Ary tsy misy dokotera na vonjy taitra raha misy loza mitranga. Ka dia maty izay voa amin izany.

Ny mpandray anjara dia ireo kidabolahy zaza sy tanora lahy eo amin ny 10 ka hatramin ny 35 taona eo. Any avararatr i Madagasiara dia atao hoe fagnorolahy na fanorolahy ireo mpandray anjara amin ny moraingy. Arahan ny mozika salegy ny mba hampandihy sy hamporisihana sy hampianjahana ireo mpandray anjara. Mandihy salegy ny mpanao moraingy aloha sy mandritra ary aorian’ ny fifanandrinana. Ny mpijery dia mitehaka sy manakora.

                                     

1.3. Moraingy eto Madagasikara Fomba fiady

Olona roa no mifanandrina isaky ny ady iray ka matetika dia avy amin ny tanàna na vohitra samy hafa izy ireo. Alohan’ ny hifanandrinana dia mandeha manodidina ny kianja ny mpanao moraingy mba hizaha sy hisafidy izay mety hifanandrina aminy, fa ny mpijery kosa dia miantsa hamporisika ny mpandray anjara. Tapitra ny fifanandrinana iray rehefa mivoaka ny kianja filalaovana ny mpifanandrina iray izay tsy afaka miaro tena na miady intsony noho ny ratra na zavatra hafa mahazo azy. Ireo olona voatendry hitsara ny lalao no manambara izay mandresy ka tsy misy ny afaka manohitra izay ambarany. Mitehaka no azon ny mpijery atao.

Ny moraingy dia haiady anjakan ny totohondry nefa afaka mandaka ihany ny mpifanandrina. Tokony misy elanelany ny mpifanandrina roa ka sarahana raha misy mamihina ny anankiray. Misy ny totohondry mahitsy izay atao hoe mitso ary misy ny totohondry mivilana atao hoe mandraoky mandraoka, ary ao koa ny totohondry midina atao hoe vangofary ary ny totohondry miakatra atao hoe vangomioriky. Rehefa miaro tena dia eo ny manohana ary ao ny mikisaka anila, nefa tsy misy fenitra raikitra arahina na ny fanafihana na ny fiarovan-tena ka misy fahasamihafany ny fomba fiadinny mpanao moraingy tsirairay na any aminny faritra samihafa.



                                     

2.1. Moraingy ao La Réunion Fiaviany

Araka ny filazan ny mpahay tantara sy ny mpanao pôlitika sasany nefa tsy eken ny mpikaroka maro eny amin ny oniversite izany dia tamin ny taonjato faha-18 tao amin ireo toeram-pambolena fary lehibe ny moraingy reonioney na moringue. Tsy nekan ny "Fehezan-dalàna mainty" frantsay: Code noir ny hiadian ny andevo. Avy any Afrika sy eto Madagasikara izy ireo ka namorona ny fomba fanaovana moringue izay tsy miteraka fiahiahiana ny hisian ny fikomiana fa ho heverina fa dihim-poko ihany.

                                     

2.2. Moraingy ao La Réunion Fomba fiady

Na dia any aminny morontsiraki Madagasikara no tena ahitana ny moraingy dia nentinny mpifindra monina malagasy mankany ampita io haiady io. Ao aminny nosy La Réunion izay any aminny 500 km atsinanani Madagasikara dia ahitana mpanao moraingy izay nentinireo Malagasy nentinny Frantsay hataony andevo mpamboly fary ka moringue na batay kreol no anarany any. Ireo vakin-tanànny mpiasa mpamboly fary no nanao moraingy taloha nefa taminny taona 2005 dia nekenny fitondrana ao La Réunion hatao fanatanjahan-tena ofisialy ny moringue. Lasa tianny besinimaro io haiady io tamin’ny fanekanny maro ny fiaviana malagasy sy afrikana ny vakoaka kreoly ao amin’io nosy io.

Tsy mahery setra noho ny moraingy malagasy ny moringue reonioney noho izy somary miendrika soradihy sy noho ny fakany tahaka ny kapoeira avy any Brezily. Ny fitsambikimbikibana sy ny fanitsahana mafy ataonny mpandray anjara dia mahatonga ny moringue ho miendrika fampisehoana mahaliana. Arahina mozika sahala aminny fanao aty Madagasikara ny moringue ao La Réunion ka ny amponga sy ny mozika maloia reonioney no andihizanny mpandray anjara aminizany. Ny mpanao moraingy malaza ao aminio nosy io dia i Jean-René Drenaza.

                                     
  • Malabary Masonjoany Fanorona Katro Ankamantatra Tsikonina Tsobato Diamanga Moraingy Savika Tantaran i Madagasikara Tananan i Madagasikara Governemanta malagasy

Users also searched:

...
...
...